Nosokafana ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa, ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly taona 2025. Ny tale jeneraly misahana ny pedagojia, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, no nanokatra izany. Lohahevitry ny fifaninanana ny “Regnina Fianarana ny Soa”. Nahatonga solontena avokoa ireo faritra 23 izay mifaninana amin’ny taranja telo (baolina kitra, basikety, athlétisme relais, fond, vitesse). Hifarana ny 25 aogositra ho avy izao ny hetsika.
Manomana atrikasa miaraka ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar sy ny Positive Minders International ny faran’ny herinandro izao. Miompana amin’ny lohahevitra ny fahasalaman’ny saina sy ny finoana izany. Eto amintsika, misy fiantraikany amin’ny fiatrehan’ny tsirairay ny zava-misy sy ny fahatsapana ny finoana sy ny kolontsaina. Mifandraika amin’izany ny fifampizarana mandritra io fotoana io, ahafahan’ny mpanatrika mizara ny zavatra niainany.
Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny tohana mifototra amin’ny maha olona, nampahafantarina omaly ny mpifaninanana nahazo ny loka momba ny pikasary mifandraika amin’ny lohahevitra. Nikarakara ny fifaninanana ny UNFPA miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka.




