Nisy ny fitiliana diabeta 250 isa sy fizahana maso tsy voafetra avy amin’ny Leo Club Antananarivo sy Antsirabe ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Mudia Antsirabe Piste Vatofotsy. Anisan’ny sahanasa hiantsorohan’ny Lions club ny diabeta, ny fahitana, ny homamiadan’ny ankizy, ny tontolo iainana ary ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ny tanànan’Antsirabe no nisitraka io fitiliana ny toetena diabetika sy fizahana maso ho an’ ireo olona marefo io. Aorian’ny fitiliana sy ny fizahana, hisy ny fanjohiana atao amin’ireo mila izany, araka ny fanazavana. Ny Amadia no hiandraikitra ireo diabetika raha ny Ezco kosa no hanao ny fanamorana rehetra ho an’ireo mila solomaso.
Mifanohana hatrany ny Lions Club sy ny Leo club satria ao anaty vondrona iray ihany fa ny Leo Club natokana ho an’ireo tanora izay taninketsan’ny Lions Club. Maro ny sahanasa hosahanin’ny fikambanana ao anatin’ny fe-potoam-piasany, araka ny nambaran filohan’ny District Leo 417, Ramanantsoa Patrick. Nanotrona ny asa sosialy ny governoran’ny faritra izay sady mpikambana eo anivon’ny Lions Club Antsirabe Ranovisy rahateo.
Vonjy




