« Gender Day » : Mampitovy fomba fijery ny fiarahamonim-pirenena aty Afrika

Notanterahina omaly, tetsy Ankorondrano, ny “Gender Day”, fihaonan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra amin’ireo firenena 16 anivon’ny Sadc. Ahitana ireo fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatra samihafa izy ireo.

Tanjon’ny «Gender Day» ny hampitovy ny fomba fijerin’ireo fiarahamonim-pirenena eo amin’ireo firenena 16. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena aty amin’ny tapany Afrika atsinanana ny vehivavy. Indrindra koa mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fambolena ary ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
Kendrena ny hahafahana mampiakatra ny harinkare­na sy fahaleovantena ara-piveloman’ny vehivavy. Tom­po­nandraikitra izy ireo amin’ny fanentanana sy fiseharana, fa koa ho mpandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Nandritra ny atrikasa omaly, araka izany, no nijerena ny maridrefy hahafantarana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy aty Afrika. Misy ny atrikasa mahakasika lohahevitra maro hijerena vahaolana sy hamaritana drafitrasa hahafahana mitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny sehatra maro, toy ny ady amin’ny herisetra… Eo koa ny amin’ny sehatra mpanapa-kevitra. « Vehivavy mpitarika sy miantsehatra mihitsy no tanjona », hoy ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie.
Nanam arika ny eo anivon’ ny Antenimieram­pirenena fa ireo lalàna iraisam-pirenena maro dia mbola hanaovana adisisika eo amin’ny manam-pahefana eto amin’ny firenena, indrindra eo amin’ny mpanatanteraka. Anisan’ny lalana voalohany hanaovana ny fankatoavana ireny fifanarahana iraisam-pirenena ireny izany.
Amin’izao handraisan’i Ma­dagasikara ny Sadc izao, manantena zavatra betsaka amintsika ny firenena maro ka anaovana antso avo amin’ny fankatoavana ny fifanarahana Maputo, fifanarahana aty Afrika momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Fampisehoana amin’ny kaontinanta afrikanina ny finiavantsika Malagasy hampihatra azy ireny.

Tatiana A

Partager sur: