INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny hetsika « Fijery hafa », natao hanomezana fahaiza-manao maimaimpoana azo hampiharina avy hatrany. Anisan’ny notanterahina tamin’izany ny fiofanana momba ny fanamboarana mofomamy. Tanora miisa 20 no nisitraka izany, izay nomen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hetsika iray mikendry ny hanamafisana fahaiza-manao ho an’ny tanora sy hanokafana lalana vaovao ho amin’ny asa fivelomana sy ny fandraharahana eny ifotony ny tetikasa.
Ho an’i Madagasikara, ny BNGRC no rafitra tokan’ny fanjakana mitantana ny loza sy ny tandindon-doza izay mijoro ho vavolombelon’ ny ezaka sy fanoloran-tena ataon’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Ahitana ny mpamonjy voina, mpiasan’ny fahasalamana, mpiaro ny tontolo iainana, fiarahamonim-pirenena, fikambanana tsy mankina, ary ny vahoaka manontolo izany. Ny manavotra aina, miaro ny marefo, ary mampiray ny fiaraha-monina mba hahatohitra ny loza voajanahary sy ny fiovan’ ny toetr’andro no andraikiny. Nomarihina tamin’ity herinandro ity ny fankasitrahana ireo mpiasan’ny fanampiana sy ny vonjy taitra miasa andro aman’alina manoloana ny loza sy ny fahasahiranana.
Mampitombo hery fiarovana, mety ho an’ny olona manavinavy matetika sy voan’ny gripa lava, ny voankazo pastèque izay amidy betsaka eny an-tsena amin’izao fotoana. Mitaiza sy manadio ny voa, tatavia koa izy. Tsara omena izany betsaka ny zokiolona ankoatra ireo manana olana manokana voalazan’ny dokotera, hoy ny ekipan’ny Fimibeama mpikarakara manokana ny zokiolona.

Partager sur: