Ao anatin’ny hetsika « Fijery hafa », mitohy ny fampiofanana maimaimpoana ireo tanora ao amin’ny faritra Analanjirofo. Tao Fenoarivo Atsinanana no nanatanterahina izany. Nahitana zaitra, fiompiana akoho gasy nohatsaraina, ary nahandro sy fanaovana mofomamy. Natao hampivelatra ny fahaiza-manao sy hanome traikefa azo hampiharina avy hatrany ny fiofanana. Hahafahan’ny tanora miroso amin’ny asa fivelomana sy manomboka tetikasa eny ifotony.
Manamafy ny finiavany hitondra vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny fiofanana mifanaraka amin’ny tena filan’ny fiarahamonina sy ny tsenan’ny asa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Anisan’ny nanamarika ny fandraisana anjara amin’ny fihaonamben’ny Ticad andiany fahasivy any Japon ny fivoriana sy atrikasa nentin’ny Kosen Open Innovation Challenge. Nahafahan’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa namelabelatra ny tanjona sy ny paikady ho fanatsarana ny rafitra sy kalitaon’ny fanofanana ara-teknika ho an’ny tanora malagasy izany. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaony sy fahafahany miditra amin’ny tsena maneran-tany ihany koa.




