SAYOF andiany faha-7 : Nahatonga solontena avokoa ny firenena 16 anatin’ny Sadc

Nanao tatitra mahakasika ny «Sayof» andiany faha-7 teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny solontenan’ny mpandray anjara, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly.

Tanora malagasy 100 no nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampon’ny tanora eto amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny «Sayof» andiany fahafito notanterahina teto Antananarivo, ny 15 hatramin’ny 17 aogositra 2025, tao amin’ny QG Tanora Ankorondrano. Nahatonga solontena avokoa ny firenena 16 mandrafitra ny Sadc. “Ny Panafrikanisma an-kiasa”, io no lohahevitra nifantohana nandritra ity fihaonambe ity. Tanjona ny hampandraisana anjara ny tanora amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonina. Nambaran’ny minisitra Moustapha Marson Abdulah fa zava-dehibe ho an’ny tanora malagasy ny fandraisana fihaonana tahaka izao satria fotoana natao hifanakalozan-kevitra sy hifampizarana hetaheta ary hitondrana ny feon’izy ireo ny fotoana tahaka izao. Nambarany ihany koa fa hatolotra ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry, ny tahirin-kevitra rehetra izay navoitra nandritra ny fihaonana. Hetahetan’ireo tanora ny hampidirana ny fihaonan’ny Sayof ho anisan’ny fandaharam-potoana ofisialy amin’ny fihaonamben’ny Sadc manaraka, araka ny nambaran’ny mpandrindra ity fihaonana an-tampony ity.

Mi.Raz

Partager sur: