Nolanin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisana anjaran’ny fanjakana malagasy amin’ny renivolan’ny orinasa izay hatsangana hitantana ny teleferika. Orinasa mpitantana sy mpitrandraka ny fitaterana an-tariby no hiantsoana izany orinasa vaovao izany. “Anisan’ny fotodrafitrasa ireharehan’i Madagasikara ny teleferika”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.
Tsiahivina fa nisy ny fandaminana amin’ny nampiatoana ny zotra an-tariby, omaly, ho solon’ny fisokafana ny alahady 17 aogositra teo. Miverina miasa kosa izany anio. Handeha isan’andro araka ny lamina napetraka kosa ny fotodrafitrasa isaky ny alatsinainy hatramin’ny zoma, amin’ny 7 ora hatramin’ny 9 ora maraina. Miverina mandeha izany manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva.
Amin’ny fotoana maha betsaka olona mivezivezy mamonjy asa sy fianarana no handehanany hanampy amin’ny famonjena fotoana.
Ny sabotsy kosa, hanomboka amin’ny 8 ora hatramin’ny 10 ora maraina sy amin’ny 3 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva izany. Tsy misokatra kosa ny fotodrafitrasa ny alahady fa natokana ho andro fikojakojana sy fanadiovana faobe.
Tatiana A




