Fasana telo novakin’ny jiolahy tao amin’ny kaominina Alakamisikely, distrikan’Arivonimamo, ny alin’ny talata 19 aogositra teo. Razana am-polony lasibatra ka lasan’ireo tsy mataho-tody ny ankamaroan’ny taolam-balo. Matetika hitrangana vaky fasana ao Arivonimamo tato ho ato.
Tsy hipetra-potsiny manoloana ny nahafatesan’ny rahalahiny izay ben’ny Tanàna tao Talata Volonondry ireo rahalahiny, araka ny nambaran’izy ireo taorian’ny fandevenana ny ben’ny Tanàna io. Marihina anefa, maty vokatry ny aretim-po izy io, araka ny valin’ny “autopsie” natao azy.
Fiara mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka niharan-doza teny amin’ny RN 44, omaly. Nivadika ilay taksiborosy. Naratra ny sasany tamin’ireo mpandeha. Tsy nisy aina nafoy.
Noraran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fisotroana eny amin’ny fiantsonan’ny fiara anivon’ny tobin-dasantsy, nanomboka omaly alina. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola eto an-dRenivohitra.




