Polytechnician Electronics Engineering Collaboration: Mampiranty voka-pikarohana miisa 20 etsy Soarano

Ao anatin’ny hetsika karakarain’ny mpianatra elektronika “electro-week” mandritra ny herinandro ny hairanty momba ny elektronika andiany fahasivy eny amin’ny ODC Madagascar, mandritra ny roa andro. Voka-pikarohana 20 no hisafidianan’ny mpitsidika ka ny telo mahazo isa betsaka no hahazo ny loka.

Hetsika fanaon’ny fikambanan’ny mpianatra, isan-taona, eny amin’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, mention électronique, mivondrona ao amin’ny Polytechnician Electronics En­gineering Collaboration (PEEC) ny hairanty momba ny elektronika. Andiany fahasivy no tanterahina eny amin’ny Orange Digital Center Soarano, mandritra ny roa andro ka hikatona anio, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Ra­kotoarison Andrinirina Tanjona, omaly. Tanjona ny hampahafantatra ny sampam-pampianarana elektronika ho an’ny mpianatra vao niatrika ny fanadinana bakalorea farany teo, hanentana azy ireo hisafidy ity sampam-piofanana ity ka hitodika amin’ny elektronika sy ny niomerika. Fotoana hampirantiana ny voka-pikarohan’ny mpianatra maro koa ny hairanty ka hampisy fifandraisana kokoa eo amin’ny mpianatra sy ireo mpandraharaha ary matihanina amin’ny niomerika ny hetsika ka hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa aranty raha mahaliana azy ireo.
20 ny voka-pikarohana aranty mandritra ny roa andro ary ny mpitsidika sy ny mpanohana Orange Madagascar, Ambatovy… ary ny mpitantana ny sekoly ambony politeknika no hisafidy ny tetikasa maharesy lahatra. Tetikasa telo miavaka no hahazo ny loka. Mandray anjara amin’ny famolavolana ny fikarohana sy ny prototype ny mpianatra L1-hatramin’ny M2. Manao fifampizarana kosa ireo efa nivoaka ho injeniera hizara traikefa amin’ny zandry aty aoriana rehetra.
«Maro ny mpianatra nahazo diplaoma avy amin’ny mention elektronika no misafidy ny hiasa any ivelany satria vitsy ny asa mifandraika amin’ny sampam-piofanana noratoviny eto amintsika», hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana ihany. Tsy misy manosika koa ny mpianatra fa miezaka amin’ny herin’ny tenany irery, ohatra, amin’ny famoronana ny prototype avy amin’ny fikarohana natao. Mizara telo ny mention électronique : électronique automatisme, bio énergie et énergie nouvelle, informatique appliquée.

Vonjy

Partager sur: