Ankizilahy 12 taona hita faty efa tsy nisy loha intsony tany Betroka, tokony ho 20 metatra andrefan’ny RN13, omaly. Tsy misy mahafantatra ity maty ity hatramin’izao ary mikarakara ny razana hatreto ny fokonolona any an-toerana. Efa misokatra ny fanadihadiana momba io raharaha io.
Vehivavy iray hita faty teo amin’ny lalana fiakarana hiditra ny Karting Imerintsiatosika, afakomaly hariva. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny CSBII Imerintsiatosika izy taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy.
Vehivavy iray mpiala sasatra saika lasan’ny onjan-dranomasina tany Masiakandrongo Foulpointe, afakomaly tamin’ny 11 ora maraina. Nilalao ranomasina izy ary nosintomin’ny onjan-drano. Nifarimbona nisintona azy ny mpanjono sy ny zandary any an-toerana.
Manoloana ny firongatry ny kaikitry ny alika romotra, miroso amin’ny famonoana ireo alika mirenireny ny tomponandraikitra any amin’ny distrikan’i Boriziny, faritra Sofia, nanomboka omaly.




