Faritra Ihorombe : Nisitraka tohana ireo sokajin’olona marefo

Notsimbinina manokana ireo zokiolona miisa 700 tamina distrika maromaro, ao amin’ny faritra Ihorombe. Nisitraka tohana sosialy miendrika fehezan-karona avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Zokiolona 300 ao Ihosy, 200 ao Iakora ary 200 ao Ivohibe.
Tetsy andaniny, nahazo tohana ara-pitaovana ireo olona manana fahasembanana ka notolorana seza misy kodiarana ireo tena tsy afaka mandeha. Tehina fotsy ho an’ireo manana olana ara-pahitana ary tehina hanampy ireo sahirana amin’ny fandehanana.
Nisy koa ny fanentanana ny fikambanam-behivavy nataon’ ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, amin’ny fananganana tetikasa mitondra ho amin’ny fizakan-tena izay afaka tohanan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Fanamafisana ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny fampandrosoana ny maha olona ny hetsika natao tao Ihorombe. Samy nahazo ny tohana mifanaraka amin’ny filany avokoa ireo sokajin’olona marefo sy ny andriambavilanitra mila fankaherezana amin’ny asa velon-tena.

Tatiana A

Partager sur: