Notolorana ny taratasy fanamarinana manamarina ny nahatontosany ny fiofanana ho mpampianatra mpanabe ny tanora 8 mianadahy, taorian’ny fianarana nandritra ny telo volana teny anivon’ny toeram-panofanana Vaha eny Itaosy, ny faran’ny herinandro teo.
Mpampianatra afaka hisehatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa fototra izy ireo. Satria manana ny mari-pahaizana bakalorea fara fahakeliny ny andiany Santatra. Ankoatra ny taratasy fanamarinana, hisitraka ny autorisation d’enseigner koa izy valo satria miara-miasa amin’ny Cisco Atsimondrano ny mpiandraikitra mitantana ny toeram-panofanana Vaha. Niompana tamin’ny sehatra dimy ny fiofanana narahan’izy ireo : voalohany ny fitondran-tenan’ny olona hampianatra, fifamatoran’ny fahaizana sy ny toe-tsaina hanamora ny fampitana fahalalana, fampitana fahalalana amin’ny ankizy ary farany ny fomba fitantanam-bola ahazoan’ny mpanabe mampitombo ny vola miditra aminy ankotra ny karamany. Rasoanindrina Marguerite (fantatry ny maro amin’ny anarana Margo), izay mpanorina ny sekolin’ny ray aman-dreny sady mpiandraikitra ny toeram-panofanana Vaha ary mpanolo-tsaim-pampianarana misotro ronono no anisan’ny mpanofana miaraka amin-dRafaniriantsoa Elia, mpampianatra mpanabe ihany koa sady injeniera.
Taorian’ny fiofanana, nisafidy lohahevitra iray ao anatin’ ny sehatra nianarana ny mpiofana nanaovana fanadihadiana ary nanohanan-kevitra avy eo.
Andiany nisantatra ny fampiofanana mpanabe izy valo mianadahy ka rehefa am-perinasa izy ireo dia hiverina eny anivon’ny toeram-panofanana indray hanamafy ny fahaiza-manao sady hizara ny olana nosedrainy nandritra ny asany. Hitondra ny traikefany ho an’ny andiany faharoa amin’ ny mpiofana ho mpanabe koa izy ireo.
Tena ilaina ny fampiofanana mpanabe tahaka izao raha hitaky kalitao sy vokatra tsara amin’ny fanabeazana ny ankizy, hoy ny mpitantana ny toeram-panofanana Vaha. Mialoha ny hirosoana amin’ny fampianarana no mila miofana ny mpanabe satria miankina amin’izay ny lentan’ny fahaizana ampitainy amin’ny mpianatra.
Vonjy




