Mbola miato ny fanotofana tany (Remblai) eto amin’ny faritry ny lemak’Antananarivo, ary tsy mbola misy ny fanomezana fahazoan-dalana hanao izany, araka ny didim-panjakana lah faha-2022-241, nivoaka ny 23 febroary 2022. Ny tetikasan’ny filoham-pirenena irery ihany hatreto no mahazo fahazoan-dalana. Io no nambaran’ny tomponandraikitry ny Apipa.
Raha ivelan’ny tetikasam-panjakana izany ny fanotofana hita dia tsy ara-dalàna izy ireny satria tsy misy mihitsy ny fahazoan-dalana mivoaka mahakasika izay.
Nampahafantatra ireo dingana tsara ho fantatra sy ny tokony ho arahina rehefa hanao fanotofana ihany koa anefa ny Apipa mba hahalalan’ny rehetra ny tokony hatao.
Voalaza, araka izany, fa ny kaominina no mamoaka ny fahazoan-dalana hanototra. Manao fangatahana eny amin’ny kaominina ary mameno ireo antontan-taratasy mahakasika izany ireo manam-panirina. Alefan’ny kaominina any amin’ny Apipa izany ary dinihin’ny vaomieran’ny fanotorana.
Ekena ny fangatahana rehefa manaja ny fepetra ara-teknika amin’ny fanajariana. Rehefa azo izany fankatoavana izany dia mandoa vola any amin’ny Apipa. Miverina any amin’ny kaominina ny antontan-taratasy ary izy ireo no mamoaka ny fahazoan-dalana hanototra.
Tatiana A




