Tsy mbola mazava amin’ny mpampiasa lalana ny fifampifehezana anatin’ny lalambe migodana, miainga eny Tsarasaotra. Gaboraraka ny fampiasana azy io ka ahina hitera-doza raha tsy raisina haingana ny fepetra.
Ny faran’ny herinandro teo, betsaka ireo fiara nivezivezy tamin’iny lalana iny, nijery ny zava-bita. Maro ny tsy fanarahan-dalàna hita, nandritra izany, toy ny fijanonana amin’ny sisin-dalana, fanapahana ny lalana tampoka ataon’ny sarety, bisikileta, omby… Ny mpandeha an-tongotra eny afovoany manasaraka ny lalana efatra no maka sary. Ny sasany any amin’ny antsasaky ny arabe no mandeha. Amin’ny moron-dalana sasany indray, hijanonan’ny fiara maro mitsangantsangana. Mandeha mafy anefa ny fiara amin’ny maha lalambe migodana azy ary natao ho amin’izany indrindra ny fotodrafitrasa.
Mahavonjy ireo olona mody eny Ambohimanga hatreto ny lalana. 10 mn dia tonga raha ela indrindra, raha hamonjy ny seranam-piaramanidina Ivato. Ireo te hivoaka kely ny Renivohitra hihazo ny lalam-pirenena faha-3 mankany Anjozorobe iny koa dia miala amin’ny fitohanan’ny fiara amin’ ny lalana nahazatra azy ireo.
Tatiana A




