Manomana ny fidirana, ny 8 septambra, ny sekoly miahy tena. Miasa, araka izany, ireo mpandraharaha mandray ny fisoratana anarana, raha manomana ny fitsinjarana ny fandaharam-potoana ho an’ny kilasy tsirairay avy kosa ny mpanabe, amin’ity herinandro ity.
Fiverenana fandraisana ny asa omaly ho an’ny mpanabe sy ny mpandraharahan’ny sehatry ny fanabeazana rehetra, araka ny tetiandro navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manaraka ny toromarika koa ny sekoly miahy tena ary efa nisokatra ny fandraisana ny fisoratana anarana, ho azy ireo manokana. Hatramin’izao, mbola ny 40% ny mpianatra andrasana hanohy ny fampianarana na koa hiditra an-tsekoly no nisoratra anarana hanaraka ny taom-pianarana 2025-2026, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. Antenaina fa hitombo izany mandritra ity herinandro ity, satria miandry karama volana aogositra avokoa ny ray aman-dreny.
Manentana ny mpitantana sekoly tsy miankina hifampiraharaha amin’ny ray aman-dreny izy momba ny fanefana ireo “frais généraux” sy ny saram-pianarana volana septambra ka hametraka lamina manokana hitsinjovana ny tombontsoan’ny ankizy. Miangavy ireo mpanabe koa ity tomponandraikitra ity tsy hitaky fitaovana lafo vidy fa rehefa azo ampiasaina sy ampy ho an’ny taom-pianarana fotsiny dia izay no zava-dehibe. Mavesatra ho an’ny ray aman-dreny ny fividianana ny kahie sy ny boky miaraka amin’ny fandoavana ireo sorabola ho an’ny fidirana ka tokony hifanohana ny roa tonta.
Manomboka ny 8 septambra ny taom-pianarana vaovao ary hifarana ny 25 jona 2026, notazonina ho roa volana dimy ny fizotry ny fampianarana ho an’ny sekolim-panjakana. Manana ny lamina ho azy ireo manokana kosa ny sehatra tsy miankina ka mijanona ho isaky ny telo volana ny fanadinana fitsapana satria izay no mety amin’ny rehetra, hoy ny fanamarihany. Voahaja hatrany kosa anefa ny 900 ora, fotoana fampitana ny fahalalana mandritra ny taom-pianarana.
Vonjy




