TSELATRA

Olona dimy voasambotry ny polisy noho ny harom-paosy teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Tratra nisinto-mahery teo amin’ny fiantsonana Vatobe 67Ha, afakomaly, ny roa tamin’izy ireo. Nangarom-paosy teny Ambodin’ Isotry, ny sabotsy teo, kosa ny iray hafa. Voasambotra teny Ambohimanarina, ny alin’ny 22 aogositra 2025 teo ny iray ambiny.

Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka, afakomaly alina. Fiara 4*4 iray, nentina lehilahy mamo no nandona fiara taxi. Potika tanteraka ilay fiara voadona. Naratra mafy ny olona efatra tao anatiny. Namoy ny ainy teny an-dalana nitondrana azy ho any amin’ny hopitaly kosa ny lehilahy iray, izay mpamily ilay fiara.

Andian-jiolahy enina voasambotry ny Polisim-pirenena tany Manakara. Nangalatra ny entan’ireo mpivavaka manao zaikabe tany an-toerana izy ireo, ny 11 hatramin’ny 17 aogositra 2025 lasa teo. Nitaraina ho very entana ny sasany tamin’ireo mpizaika ka antony nikarohana ireo olon-dratsy. Hita tany amin’ireto farany ny finday sy fitaovana an-tokantrano maro. Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy izy ireo.

Jiolahy roa nandrahona ho faty ny mpitondra moto iray tetsy Ampahimanga Ambohimanambola, afakomaly. Noteren’izy ireo hidina sy hanome ny lakilen’ny moto ny tompon’ilay moto. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay.

Partager sur: