INDRAY MIJERY

Mahavoasazy ny fanotofana tany tsy nahazoana alalana. Izany no mahatonga ny kamiao maro voageja any amin’ny valam-pamonjana. Misy ny toerana izay tsy azo totofana mihitsy na lova izany na fananana manokana. Misy indray ny toerana afaka totofana saingy misy fepetra arahina mahakasika izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Volavolaina mandritra ny taona iray ilay tokantrano misitraka ny Haratonaina. Ampianarina manangom-bola izy ireo avy eo. Ampianarina mamboly sy miompy. Misy efa tafavoaka tanteraka ireo ankohonana nahazo tohana. Ireo tsy mbola tafavoaka kosa dia efa manana ny traikefa ivoahana amin’ny fahantrana lalina.
Nafana ny andro tato ho ato. Tsy mbola tafavoaka tanteraka amin’ny ririnina anefa isika raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Mbola misy fanala mamirifiry ny hariva sy ny maraina ka mila manao akanjo mafana hatrany.

Partager sur: