Toamasina : Vonona ny fotodrafitrasa handray ny SPSM

Mihatrana ny tanànan’i Toamasina handray ny fihaonamben’ny fikambanan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Mada­gasikara (SPSM) manomboka ny 29 hatramin’ny 31 aogositra izao.
Iray tsy mivaky ny mpiasan’ny fahasalamana itambaran’ny dokotera, paramédicaux sy mpandraharaha mampihodina ny tobim-pahasalamana, hoy ny tompon’andraikitra Andriam­bololoniaina Fidinirina Désire. Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana ny hetsika rehetra.
Vonona ny tanànan’i Toamasina handray ny mpiasan’ny fahasalamana ary efa nahazo alalana tamin’ny prefektoran’ny tanàna amin’ny fanatanterahana ny hetsika ho atao. Filaharam-be maneho ny maha izy azy ny faritra no hanombohana ny hetsika. Fifaninanana ara-panatanjahantena maro no iarahan’ny mpiasan’ny fahasalamana ahitana lalao baolina kitra, baskety, lomano, tsipy kanetibe, tenisy ambony latabatra…
Fanehoana firaisankina sy fiombonan’aina anatin’ny asa ho an’ny fahasalamam-bahoaka no anton’ny hetsika.

Tatiana A

Partager sur: