Telo lahy mpivarotra rongony sady mpidoroka voasambotry ny zandarimaria tao Andranovao, kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Roa lahy mpivarotra no tratra voalohany. Nitoroka ny iray namany ireto farany.
Taolam-paty nataon’ny olon-tsy fantatra tao anaty gony hitan’ny fokonolona tao Antanambao, Mananara Avaratra, ny sabotsy 23 aogositra lasa teo. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tovolahy, namoy ny ainy rehefa novonoin’ny namany roa lahy tao amin’ny sampanana Mandaniresaka, Antsirabe, afakomaly. Niara-nisotrosotro tamin’ireo roa lahy izy. Nilaza tsy nanana vola ka novonoin’ireo namany io lehilahy io.
Fasana miisa telo nasesin’ny olon-dratsy novakiana tao amin’ny kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo, ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny ankamaroan’ny taolam-balo.




