Ilan-tanan’olona havia hitan’ny zandarimaria teny amin’ny moron-dranomasina Antalaha, ny alatsinainy 25 aogositra teo. Lehilahy no tompon’io tanàna io, araka ny fizahan’ny tomponandraikitra.
Tovolahy nanolana ankizivavy 11 taona nosamborin’ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Ambanitsena, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nipetraka tao amin’ny rahavavin-dreniny io ankizivavy io. Mpanampy tao an-trano no nahavanon-doza.
Polisy miisa sivy miasa ao amin’ny kaomisaria an’i Manja, faritra Menabe, notolorana fankasitrahana manokana noho ny fahamendrehany, omaly. Notolorana mari-pankasitrahana manokana avy amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izy ireo.




