Tanterahina eny Andakana, hatramin’ny anio, ny atrikasam-pirenena momba ny Tanjona fahefatra mahakasika ny fanairana mialoha ho an’ny rehetra (EW4ALL), hisorohana ny fahavoazana rehefa misy loza. Iarahan’ny BNGRC, ny Croix-Rouge Malagasy, ny Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge na FICR ary ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka izany.
Mikendry ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tanjona faha-4, izay miompana amin’ny
valin-kafatra sy fanomanana ao amin’ny drafitrasa ao amin’ny (EW4ALL) ny hetsika. Miroso amin’ny rafitra fampitandremana mialoha manoloana ireo loza maro ahina hiseho eto Madagasikara isika izao ao anatin’ity hetsika ity.
Tanjona ny hanaovana tombana ny fandrosoana efa vita amin’ny tanjona faha-4, ny fanavaozana ny drafitrasa, ny fandaniana ny Maturity Index ho an’i Madagasikara. Eo koa ny fanamafisana ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra, ny fampidirana ny hevitra avy amin’ireo vondrom-piarahamonina nandritra ny fidinana ifotony….
Tatiana A




