Nifarana omaly ny fanadinam-panjakana “Certificat d’aptitude à l’enseignement dans les écoles primaires” (CAE/EP ) an-tsoratra, taona 2025, izay naharitra roa andro. Natokana ho an’ireo mpampianatra hisehatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany ity mari-pahaizana ity. Notanterahina manerana ny Dren 23 eto Madagasikara izany, ka miisa 4 185 ireo mpiadina nisoratra anarana hiatrika io fanadinana io. Miparitaka amin’ny foibem-panadinana miisa 63 manerana an’i Madagasikara. Ny taranja “socio-pédagogie” no nanombohana ny adina. Tokony hanana ireo fepetra takina ny mpiadina. Manana mari-pahaizana “Brevet d’étude de premier cycle de l’enseignement secondaire” na “Certificat de fin d’études du premier cycle de l’enseignement secondaire” na ny mitovy lenta amin’ireo. Tsy maintsy nahavita nampianatra fara fahakeliny telo taona teo anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany.
Nisongadina ny fanohanana ny tanora amin’ny sehatry ny fandraharahana taorian’ny fiofanana manokana natokana ho an’ireo mpandresy efatra tamin’ny olympiades des métiers. Lohahevitra roa lehibe ny fiofanana: famoronana orinasa niarahana tamin’ny EDBM sy ny kolontsaina ara-pandraharahana. Nohatevenina tamin’ny fitsidihana orinasa ihany koa ny fiofanana. Ny Loi confection sy ny entreprise Mazava Sportwear no nandray ireo tanora.




