Hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny kilonga ny 8 septambra izao, ho an’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Ho an’ireo tsy nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana na tsy nisondrotra kilasy, ilaina ny tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny.
Nivaly avokoa ny fanadinam-panjakana telo notontosaina ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ary hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray ny ankizy, afaka herinandro mahery kely. Nisy ireo nahomby ka nahazo ny mari-pahazaina nandrandraina. Tsy vitsy koa ireo tsy tafita tamin’ny fanadinam-panjakana na koa tsy nisondrotra fa hamerin-taona. Samy manana ny fomba hiatrehana izany ny tokantrano tsirairay fa misy ny torohevitra azo hampiharina avy amin’ny mpanolotsaim-pampianarana efa misotro ronona, manana traikefa amin’ny fanabeazana ny kilonga, Rasoanindrina Marguerite. Ho an’ireo manan-janaka madinika efa nianatra ka hifindra kilasy, ampahafantarina azy ireo fa tsy mifanalavitra amin’izay natao tao anatin’ny kilasy nialana no miandry azy ao amin’ny kilasy hifindrana. Miampy kely fotsiny ny taranja tsirairay ka tsy tokony hampanahy ny fiovan’ny efitrano sy ny mpanabe ary ny fitaovana.
Raha tsy afa-panadinana na koa tsy nisondrotra kilasy kosa ilay mpianatra, tsy voatery ho tsy nahay na inona na inona fa misy tsy ampy kely ny fahaizana ka tsy nahatratra ny naoty notakina izy. Omen’ny ray aman-dreny fankaherezana izy fa ho lohalaharana mandrakariva satria efa hitany tamin’ny taon-dasa avokoa izay hohazavaina amin’izy ireo. Tsy tokony hohadinoin’ny ray aman-dreny fa ny tsy fahombiazan’ny zanany amin’ny fianarana dia misy tokoa ny antony avy amin’izy ireo. Ohatra, ny fikorontanan-tsain’ny zaza vokatry ny adilava eo amin’ny ray aman-dreny, ny tsy fanaraha-maso ny fianarana fa variana amin’ny fitadiavana, ny tsy fananana fotoana hianarana any an-trano vokatry ny fandraisana anjara be loatra amin’ny raharaha…
Raha tsy vonona ny hirotsaka any an-dakilasy intsony ilay mpianatra fa hanaraka fampitam-pahalalana ivelan’ny sekoly araka ny safidiny, mila tohanana hatrany izy satria ny vokatra no zava-dehibe.
Vonjy




