Firenena anisan’ny manana kolontsaina maro sy miavaka ny Malagasy. Lehibe rahateo ny velaran-tany. Maro manaraka izay ihany koa ny endrik’ireo kolontsaina ao anatiny. Manomboka miha maivana tsikelikely anefa izany…
Kolontsaina endrika ivelany. Kolontsaina poakaty. Kolontsaina very fototra… Endrika maneho fahabangana na tsy fahampiana tahaka izany no hita rehefa miditra lalindalina ny fanadihadiana momba azy ireny. Mikabary ireo lazaina ho mpikabary. Ny androatokony, fampihomehezana avy amin’ny kivalavalan-dresaka. Ny hafa, ny ambaran’ny vavany aza tsy fantany akory.
« Isika izao no atao hoe toro vato nandiavana… », hoy ny mpikabary. Ny vato nandiavana aza, anefa, tsy fantany akory. Ny mpanandro sasany, tsy mahalala akory fa rehefa alahamady, « tsy maintsy » tranga tahaka izao no hita. Hany ka any amin’ny ririnina mbola ambara ho alahamady ihany. Milaza ho mpitendry valiha, kanefa manafangaro ny velombaliha amin-javatra hafa, sns.
Ampahany amin’ny tranga manamaivana ny tontolon’ny kolontsaina malagasy ireo. Mahavariana, anefa, fa ny manitsy tsy misy. Ny ahitsy, tsy manaiky. Ireo efa niteny, leo. Mihen-kasina ny kolontsaina malagasy. Nanjary ratsy fototra. Mitsingevana… Nanaraka izany ihany koa ny hasin’ny Malagasy manoloana ny tena zava-misy marina… Satria, ireo fototra mihitsy no tsy hay sy very.
Mbola azo antsoina ho mpikabary ve ny tsy mahalala ny aloaky ny vavany? Mpanandro ve no iantsoana ireo tsy mahafantatra akory ny orim-bintana?… Io endrika fisalorana anarana tsy sahaza ny kolontsaina malagasy io ihany koa no iray amin’ireo mampihen-danja azy sy ny Malagasy. Amin’izao vanim-potoana izao aza, mbola misy ny omena na ampisalorana na mitonona ho « Maître » na « Grand Maître », sns, amin’ny kolontsaina na zavakanto hiseharany.
… Mila fanarenana goavana ny « aty fanahin’ny kolontsaina malagasy ». Tsy tokony hijanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny fa mila miditra lalindalina kokoa hatrany… Tonga any amin’ny fototra, avy eo.
HaRy Razafindrakoto




