Trafika zava-mahadomelina : Maorisiana efatra nalefa eny Tsiafahy

Vita ny famotorana ireo Maorisianina, tra-tehaka tsy nanana taratasy tany Sava. Mpanao trafikana zava-mahadomelina karohin’ny Interpol izy ireo. Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany.

Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ireo Maori­si­ana miisa efatra niditra an-tsokosoko teto Madagasikara, taorian’ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo. «Niditra an-tsokosoko sy tsy nisy taratasy mazava, voasambotra tany akaikin’ An­tolobe, faritra Sava, roa herinandro lasa, izy efa-dahy ireo», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny Jeneraly tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimaria.
Natao fanadihadiana izy ireo, ahina ho atidoha amin’ny fanondranana sy fanamparihana zava-mahadomelina eto an-toerana. « Nanamarina ny fanjakana maorisiana sy ny Interpol fa karohina tokoa ny roa lahy amin’ireo tratra», hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ny zandary. Voasarin­gotra amin’ny trafikan-drongony ao Maorisy izy roa lahy, raha ny tatitra taorian’ny voka-panadihadiana nifandraisan’ ny zandarimaria sy fanjakana Maorisiana.
Iraka manokana

Handefa solontena manokana hisahana ny raharaha ny fanjakana Maorisiana. Ha­nokatra fanadihadiana mo­mba azy roa lahy efa nokarohina tany Maorisy. «Tsy afaka mihazona ela ny voasambotra raha teo ny zandary. Natolotra ny fampanoavana ary notanana vonjimaika eny Tsiafahy izy efatra mirahalahy taorian’ny famotorana», araka ny loharanom-baovao.
Marihina, antony nisamborana azy efa-dahy ny tsy fananany taratasy mazava ahafahana miditra ny sisin-tany Malagasy. Nihitatra tamin’ny alalan’ny famotorana ny fivoaran’ny raharaha izay fantatra ny asa ratsy fanaon’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: