TSELATRA

Tontosa omaly, teny amin’ny Premier Bataillon Parachutiste Ivato, ny fanaovam-beloma farany ireo manamboninahitra telo mirahalahy avy eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena, izay namoy ny aina nandritra ny fanazaran-tena filatsahana tany Ari­vonimamo, ny alarobia lasa teo. Hatsangana ny Com­mission d’enquete mixte hanao ny fanadihadiana mahakasika iny loza iny.

Tsy mbola misy mangirana ny fanadihadiana mahakasika ny tranga famonoana ilay tovovavy 17 taona, i Tricha, tetsy 67 Ha, ny 28 avrily 2025 lasa teo. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony moa io tovovavy io. Nilaza ny renin’ny maty fa tsy mbola nisy fandraisan’andraikitra nataon’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana hatramin’izao.

Nahitana fatin-jazakely niaraka tamin’ny ahitra tany Ambohimandamina Mahajanga, omaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Nisy nanary tamin’ny lalankely teo atsinanan’ny EPP Ambohimandamina, fokontany Ambohimandamina. Io zazarano io. Olona sendra nandalo no nahita izany. Efa nalevina moa ny razana taorian’ny fanadihadiana.

Partager sur: