INDRAY MIJERY

Ny fanadiovana sy famerenana amin’ny laoniny ny lakandrano C3 no vaindohan-draharahan’ny tetikasa Produir. Zava-dehibe amin’ny fisorohana ny tondradrano sy amin’ny lafiny ara-pahasalamana izany. Fotaka 55 839 m3 no nosokirina tamin’ny lakandrano mba hahafahan’ny rano mikoriana tsara.

Taorian’ny fahamaizana nitranga tetsy Ano­sibe Mandrangobato I, tonga nitondra tosika vonjy taitra ho an’ireo traboina ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina niaraka amin’ny BNGRC. Tokantrano 26 izay tena voa mafy no andiany voalohany nisitraka vary, voamaina, vilany, koveta lovia sy siny. Nohama­fisina hatrany ny tokony hifanampiana eny ifotony sy hifampitaizana mba ho lavitry ny loza.

Mpianatra manodidina ny 2 000, avy amin’ny boriborintany I, II, IV, no nizarana fitaovam-pianarana maimaimpoana, tamin’ity herinandro ity. Hetsika fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana AFF (Andry sy Fototra ho an’ny Fam­pan­drosoana). Hitohy amin’ny boriborintany faha-III, V ary faha-VI ny hetsika.

Partager sur: