Namolavola boky torolalana ny Unicef: Zava-dehibe ny toeram-piasana manome lanja ny fianakaviana

Mampandroso ny toekarena ny fahafahan’ny mpiasa misitraka tohana sy fitsinjovana ny fiainam-pianakaviany satria afaka mamokatra am-pilaminana izy. Nanome toky ny fivondronan’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) fa hampihatra ny boky torolalana manome lanja ny fianakaviana avy amin’ny Unicef.

Nampahafantarina omaly, teny Antaninare­nina, ny boky torolalana novolavolain’ny Unicef, hananan’ny orinasa tsirairay toeram-piasana manome lanja ny fianakaviana, ahitana ny ray aman-dreny sy ny zanany. Voakasika avokoa na ireo orinasa manara-drafitra miankina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena, na ireo tsy mbola manaraka ny rafitra nefa mam­piasa olona. Zaza vao te­raka hatramin’ny 23 volana ny 12% ny mponina eto Mada­gasikara ka mandritra ny 1 000 andro voalohany no tokony ho tomombana ny sakafon’ ny zaza sy ny fanaraha-maso ny fahasalamany ary ny fivoaran’ny sainy. Mila tohana, noho izany, ireo ray aman-dreny miasa ahafahany manatanteraka ireo andraikitra ireo. Iray amin’izany ny fametrahana toerana manokana ahazoan’ny vehivavy mampinono tsy tapaka ny zanany any amin’ny toeram-piasany rehefa miverina miasa izy. Mandritra ny fitsaharana vokatry ny fiterahana, tsy tokony ho tapaka koa ny karamany hamelomany ny ankohonany. “Tsy tokony hisafidy amin’ny hiasa na koa hikarakara fotsiny ny ankohonany ireo ray aman-dreny. Azo ampiarahana tsara ny asa sy ny fikoloana ny za­naka raha voahaja ny zo rehetra izay voafaritry ny lalànan’ny asa eto Madagasi­kara”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Rabenarivo Lanto.
Minisitera fito, 40% amin’ny orinasa mikirakira lamba, no efa manana toerana ho an’ ny mpiasa vehivavy mampinono, latsaky ny 10% kosa ho an’ny seha-pihariana hafa, araka ny tatitry ny fanadihadiana nataon’ny Unicef, ny taona 2024 momba ny vokatry ny asan’ny sehatra tsy miankina sy ny zon’ny ankizy.
Afa-mamokatra kokoa ny mpiasa rehefa voasahan’ny orinasany ny lafiny maha olona. Efa fenitra iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao ny fanajana ny maha olona sy ny fanohanana ireo ray aman-dreny any am-piasana.

Vonjy

Partager sur: