TSELATRA

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, afakomaly hariva, ny lehilahy 47 taona mpamily taxi-be zotra G. Tratra nihodina an-dalana izy ary tsy nanaiky nandray ireo mpandeha teo amin’ny fiantsonana. Nandrahona sy nanompa ny polisy izy rehefa nosakanana ary nosamborina sy nalefa any amin’ny biraon’ny CSP5 Mahamasina. Nogiazana vonjimaika ilay fiara.

Nitolo-batana, omaly, teny anivon’ny zandarimaria ao amin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava ireo teratany frantsay roa lahy izay namoahana filazana fikarohana afakomaly. Henjehina noho ny fikasana hamono olona, fanafihana mitam-piadiana, ary namono olona niniana natao izy ireo. Mitohy ny famotoroana ataon’ny zandary azy ireo.

Miatrika fanadihadiana eny anivon’ny polisy Andrefantsena Faratsiho, ny vehivavy iray. Nangalatra ny volan’ny mpampiasa azy, mitentina 4 230 000 Ariary izy, ny 27 aogositra teo. Nitory ny tompom-bola ary voasambotra io mpangalatra io rehefa saika hihazo an’Antsirabe.
210 000 Ar sisa no tafaverina raha efa laniny avokoa ny ambiny.

Tratra teny am-pandrobana mpitondra moto tany amin’ny fokontany Ambohimasina, distrikan’Arivonimamo, ny lehilahy iray, afakomaly tamin’ny 01 ora atoandro. Nosakanany ilay mpitondra moto ary saika horobainy sy hangalarany ny motony. Nahita izany ny mponina ka nanenjika. Tonga teny an-toerana ihany koa ny zandary avy ao Ambatomanga. Voasambotra izy ary nentina eny amin’ny birao miatrika fanadihadiana.

Partager sur: