Ady amin’ny fampiasana ankizy-2025-2040 : Novolavolaina ny drafitrasa nasionaly faharoa

Mbola ady ifarimbonan’ny sehatra maro ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Namarana ny fakan-kevitra mahakasika izany ny tany Atsimo, ahafahana mamolavola drafitrasa nasionaly faharoa.

Natao tao taolagnaro ny atrikasa fakan-kevitra, ho an’ny faritra Atsimo, momba ny fandrafetana ny drafitrasa nasionaly iadiana amin’ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2025-2040 (PNA LTE II 2025–2040).
Nizaika nandrafitra izany hatramin’ny omaly ireo mpisehatra avy any Atsimo Atsina­nana, Atsimo Andrefana, Anôsy ary Androy.
Atrikasa farany amin’ireo fakan-kevitra isam-paritra ity notanterahina tany an-toerana ity taorian’ny efa natao tany amin’ny faritra Afovoany, Avaratra, Atsinanana ary An­drefana.
Nokendrena ny hanangonana ny hevitra avy amin’ny sehatra isam-paritra momba ny endrika sy ny antony mahatonga ny fampiasana ankizy. Misy ireo faritra ahitana toeram-pitrandrahana tena ahitana ankizy miasa. Asa mitera-doza izany ary mety hitarika amin’ny fahafatesan’ny ankizy na fitondrany takaitra mihitsy.
Nodinihina ihany koa ireo rafitra efa misy, nofaritana ny paikady mazava sy mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.
Hanampy amin’ny fametrahana drafitrasa nasionaly azo tanterahina, manokatra sehatra ho an’ny rehetra, mifanaraka amin’ireo fanekena nasionaly sy iraisam-pirenena noraisin’i Madagasikara ireo asa iaraha-misalahy ireo.
Nanamafy indray ny finiavany hiady amin’ny fampiasana ankizy ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Iarahana amin’ny komity nasionaly sy komitim-paritra, ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny fanatanterahana izany. Tanjona ny hampiroborobo tontolo feno fanajana ny zon’ny ankizy sy hanome ho avy tsara ho an’ireo ankizy manerana ny Nosy.

Tatiana A

Partager sur: