Sendika Triade : « Marary ny mpiasan’ny fahasalamana »

Nampahafantatra ny fijoroany sy ny fitakiany ny Sen­dika ivondronan’ireo dokotera sy ny Paramed, mpiasa sy mpandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana (Triade). Mitarika izany ny Dr Ravelojoeliandriambeloaritafika. « Marary ary very hasina tanteraka ny mpiasan’ny fahasalamana », hoy izy ireo, tetsy Antaninarenina, ny sabotsy teo. Nambaran’izy ireo ho antony nijoron’ny sendika izany mba hisian’ny sehatra ifanakalozan-kevitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra. « Tena latsaka an-katerena izahay amin’ny marikarama raha mitaha amin’ireo mpiasam-panjakana hafa. Eo koa ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fampitaovana, mifanaraka amin’ny fenitra takin’ny asa sy ny andraikitry ny tsirairay », hoy ihany izy ireo.
Manampy izany ny tsy namalian’ny eo anivon’ny minisitera ireo fitakiana nefa nahazoana rariny teny anivon’ny minisiteran’ny Tetibola sy ny toekarena na koa ny minisiteran’ny Asa. Tsy vitan’izany fa itarainan’ny Triade ny tsy fampandehanan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny fisondrotan-karama, efa ho roa taona izao. « Tsy mbola voaray hiasa ireo mpianatra miisa 2 000, nanomboka ny taona 2020. Eo koa ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasa ny tambin-kasasarany», hoy izy ihany izy ireo. Nohitsin’ny sendika Triade koa ny tsy fihainoana ny fitarainan’ny mpiasa sy ny fanaovana didinkofehy lehibe ary ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitantanana eo anivon’ny minisitera.
Manoloana izany, niantso ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra izy ireo hanatevin-daharana ny Triade hiarovana ny zo voahitsakitsaka.

Synèse R.

Partager sur: