TSELATRA

Lehilahy 62 taona vao nahalafo trano hita faty tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Feramanga Avaratra, omaly maraina. Nifamaly tamin’ny vadiny tao Amparafaravola rangahy ka nentiny ny vola sasany vidin’ny trano ary izao hita faty izao.
Zaza vao teraka 2 herinandro maty, ahina ho novonoin-dreniny tao Ianakonitra, kaominin’Andevoran­to, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Manana sakaiza hafa ankoatra ny rain-janany io ramatoa io ka novonoiny ny zanany satria noheveriny ho sakana amin’ny fiarahana amin’ilay sakaizany.
Notanana am-ponja ny lehilahy nahatraran’ny polisy rongony roa harona plastika tao Mahavanona, kaominina Antsiranana I, ny 29 aogositra teo. Nosavain’ ny manam-pahefana ny trano fonenan’io lehilahy io ka sarona tao aminy ireo rongony amidiny.
Vehivavy malagasy 14 nosamborin’ny mpitandro filaminana maorisianina, tao Baie du Tombeau, Nosy Maorisy, afakomaly. Nanao asa fivarotantena ireo vehivavy ireo sady tsy nahitana taratasy ahafahany mijanona ara-dalàna ao an-toerana. Notanana hatao fanadihadiana koa ny tompon’ny hotely nahatrarana azy ireo.

Partager sur: