CHU-JRA : Andraikitra maro ny sahanin’ny biraon’ny fidirana sy fivoahana

Mbola mananosarotra ny olona ny manatona hopitaly noho ny toerana midadasika sy ny tsy fahafantarana zavatra maro. Mitondra fanazavana mahakasika ny asan’ny Sampandraharaha misahana ny fidirana sy ny fivoahan’ny marary ao amin’ny hopitaly ny lehibeny, Lalaharimanana Rachelle.

Miandraikitra ny fitanana an-tsoratra rehetra momba ny fidiran’ny olona hopitaly sy ny fanomezana ny taratasy mifandraika amin’izany no antom-pisian’ny Sampandraharaha iadidian’i Lalaharimanana Rachelle. Izy ireo no mandefa ny mahakasika ny marary ka amoahana ny taratasy fidirana hopitaly ilain’ ny dokotera na ilain’ny orinasa iasan’ny marary….

Ity birao ity ihany koa no mikarakara ny momba ny maty. Rehefa mahazo taratasy avy any amin’ny dokotera ny fianakavian’ny marary nanana ny nodimandry, mankany amin’ ny tranom-paty, manatona io birao voalaza etsy ambony io mandamina ny taratasy rehetra, ary izay vao miverina any amin’ny tranom-paty manohy ny tokony hatao hamoahana ny razana….

Ahitana ny sampandraharaha miandraikitra ny fandraisam-bola ihany koa ao amin’ ity birao ity. Misy karazany enina ny toerana fandoavam-bola ao amin’ny CHU-JRA. Anisan’izany ny ao amin’ny sampana vonjy voina, misy ny fandoavam-bola mahakasika ny hofan-trano sy fitarafana… Misy koa ny fandraisam-bola ho an’ireo fizaham-pahasalamana avy any ivelany. Misy ny fandraisam-bola ho an’ireo izay hanao fitiliana, ny mikirakira kitapon-dra. Ankoatra izay ny fandoavam-bola mahaka­sika ny fikarakarana ireo olona mararin’ny homamiadana…
Ao amin’ity sampandraharaha ity ihany koa no mikarakara ny taratasy mahakasika ny fandraisana an-tanana ataon’ny orinasa iasan’ilay marary na ataon’ny fanjakana amin’ireo fandaniana rehetra na amin’ny ampahany teny amin’ny hopitaly. Misy alalana avy amin’ny mpiara-miombon’ antoka anefa vao afaka atao izany. Ankoatra ireo dia ity birao ity no misahana ny fa­moahana ny faktioran’ny fandaniana rehetra nandritra ny fitsaboana.

Tatiana A

Partager sur: