Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra : Andaniana hatramin’ny 600 000 Ar ny ankizy roa

Amin’ity herinandro ity ny fanomanana farany ny fidiran’ ny mpianatra, satria hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray izy ireo, amin’ny ambaratonga roa, ny 8 septambra izao, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa voaloa avokoa ny “Frais generaux” sy ny saram-pianarana volana septambra fa mbola mameno ny fitaovana sy ny boky ary ny kitapo hatramin’ny zoma ho avy izao, raha ny fantatra. Ilaina asiana anarana avokoa ny fitaovana rehetra noho ny fangatahan’ny mpampianatra, indrindra ho an’ireo kilonga madinika.
“Ho an’ny fianakaviana ma­nana zanaka roa mianatra, 300 000 Ar ny vola lany nividianana fitaovam-pianarana, 150 000 Ar kosa ny arona­kanjo sy ny fianjaika iraisana, vidiana any an-tsekoly. 24 000 Ar ny kitapo ary 140 000 Ar ny Frais généraux. Mahatratra 614 000 Ar ny sora-bola nanomanana ny fidiran’ny mpianatra fotsiny, ary saika tsy naharaka ny karaman’izy mivady iray volana”, hoy ny renim-pianakaviana iray nanontaniana. Ny ray aman-dreny sasany, tsy nividy vaovao ho an’ny fi­taovana fa averina hampia­saina avokoa ireo mbola tsy simba. Any amin’ireo mpianatra nisondrotra kosa no mividy ny boky tsy ilainy intsony fa tsy taka-bidy ny vaovao eny amin’ ny trano fivarotam-boky.
Ny saram-pianarana vo­lana septambra azo ifanara­hana amin’ny mpitantana ny sekoly ihany ny fetra fara-fandoavana azy, mialoha ny hidirana amin’ny volana oktobra.

Vonjy

Partager sur: