Toetry ny andro : 3°C-37°C ny maripana mandritra ity herinandro ity

Manodidina ny 3 hatramin’ny 23 °C ny maripana ny maraina, ary eo anelanelan’ny 20 sy 37 °C kosa ny tolakandro ho an’ity herinandro ity. Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro hatramin’ny rahampitso. Hihamalefaka izany manomboka ny alakamisy, noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy. Handrafitra mivantana ny toetry ny andro any avaratra atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy sy alahady, ny fidiran’ny rahona entin’ny rivotra an-dranomasina.
Hisy orana miatoato any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana, anio sy rahampitso. Hivan­gongo any amin’ny tapany atsimon’i Sava sy Ambatosoa izany, ny alakamisy sy zoma. Hitohy ny orana miatoato any amin’ny faritra Sava sy ny morontsiraka afovoany atsinanana, any amin’ ny faran’ny herinandro. Hisy andian-javona ny vao maraina any amin’ny afovoan-tany, indrindra manomboka ny alakamisy. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Hisy fidinana ny maripana ambany any amin’ny fisasahan’ny herinandro.
Iangaviana ny mpamily fiara sy ny mpitaingina kodiaran-droa hitandrina hatrany ary hanena ny hafainganam-pandeha rehefa ao anaty zavona hisorohana ny loza mety hitranga.

Vonjy

Partager sur: