Bevohoka 23 herinandro mahery ny ankizivavy 13 taona, naolan’ny tovolahy 21 taona, tetsy Lohanosy, kaomininina Ambohijanaka, ny volana marsa lasa teo. Havany ihany ity ankizy naolany ity. Nosamborina avy hatrany io tovolahy io ary miatrika fanadihadiana eny amin’ ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava.
Teratany kaomorianina iray maty notsindromin’ny mpiambina azy antsy tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo. Hita faty tao an-trano fonenany izy io, ary nahitana dian’antsy imbalo teo amin’ny vatany. Hita teo akaikin’ny vata mangatsiakany ny “carte bancaire”ny. Marihina fa mpiasan’ny banky misotro ronono izy io. Voarohirohy amin’izao vono izao koa ny mpanampy tao an-tranony. Izay efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny mpitandro filaminana.
Voasambotry ny polisy tany Tsararano Ambany, Mahajanga, ny 30 aogositra 2025 teo, ny jiolahy raindahiny iray antsoina hoe: Mimi. Malaza amin’ny halatra moto sy ao anatin’ny fikambanan-jiolahy izy io. Nahavoasambotra azy ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) any an-toerana. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana sy fandrobana moto ny 07 jona 2024, tany Mahajanga, izy, rah any tatitra. Tompon’antoka sy tompon-kevitra tamin’ny fanaovana io halatra io ny tenany.
Manentana ny rehetra, indrindra ny ray aman-dreny, ny manam-pahefana mba hanara-maso ny zanany. Tsy natao hilalaovana ny arabe, na ho an’ireo mitaingina bisikileta, kalesa, milalao baolina, papango, kanety ary eo koa ny fanenjika sy ny maro hafa. Tokony ho mailo hatrany ihany koa ny mpamily eny an-dalana, mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana miseholany eto amin’ny Nosy.




