Aorian’ny fahafahana bakalorea: Etsy amin’ny LJJRA ny « Salon de l’étudiant »

Hotanterahina eo amin’ny Lycée JJ Rabearivalo Anala­kely ny « Salon de l’étudiant », karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny 4 hatramin’ny 6 septambra izao.
Amin’io fotoana io no hahafantaran’ny mpitsidika ny karazana oniversite misy eto Madagasikara sy ireo karazana lalam-piofanana misy. Hanana tranoheva amin’izany ireo lalam-piofanana rehetra misy eny amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo ary hampahafantatra ireo andinindininy mahakasika ny fampianarana.
Ireo tanora vao afaka fanadinana bakalorea teo ka ao anatin’ny fisafidianana ny hanohizana fianarana ny hetsika. Misy ny torohevitra zarain’ireo tomponandraikitra mahakasika ny tokony hatao ahafahana manatratra ny tanjona, araka ny fanirian’ny tanora.
Tsy voatery ho ny lalam-piofanana mahazatra hatramin’
izay ihany no hita eny an-toerana fa misokatra amin-javatra maro sy ny takin’ny filana amin’izao fotoana. Anisan’ny hampahafantarina ao ny asan’ireo mpikaroka sy mpiofana ho mpikaroka mahakasika ny microbiologie sy biotechnologie…

Tatiana A

Partager sur: