Iray volan’ny Alzheimer : Hisy ny fihaonana amin’ny fianakavian’ny marary

Volana maneran-tany ho an’ny aretina alzheimer ny septambra, manao antso ho an’ny isam-batan’olona, ny mpiasan’ ny fahasalamana, ny fiarahamonina ary ny fanjakana handray andraikitra ny fi­kamba­na­na Ma­dagascar Alzheimer Ma­so­andro mody. Mbola mipetraka ho sakana tsy ahafahana mi­tily ny aretina mialoha sy mi­ton­dra fitsaboana mahomby ny fa­nili­kilihana sy ny hevitra raiki-tam­pisaka momba ny Alzheimer.
“Fantaro ny Alzheimer” no lohahevitra nosafidina ho an’ity taona ity, maneran-tany, satria betsaka ny olona tsy ma­hafantatra ny aretina. Araka ny fanadihadiana, 80% ny olona sy 65% ny mpiasan’ny fahasalamana no mihevitra fa dingana firosoana amin’ny fahanterana ny aretina Alzhei­mer. Araka ny tomban’ny Institute of Health Metrics and Evaluation, hatramin’ny taona 2050, olona 160 000 no heverina fa tratran’ny Alzheimer sy ireo aretina mitovy aminy eto Madagasikara. Amin’izao fo­toana, 55 tapitrisa ny olona voany maneran-tany.
30 taona nikarakarana ny olona tratran’ny Alzheimer ny fikambanana Masoandro mo­dy eto Madagasikara. Mikara­kara hetsika maro ny fikambanana amin’ity volana ity ka voa­lohany ny dinika torapo izay fihaonana hanamaivanana ny fianakaviana mitaiza marary. Ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny foiben’ny fikambanana eny Fenomanana Maha­zoarivo, ny fotoana manomboka amin’ny 9 ora. Tanjona ny ahafahan’ireo fianakaviana manana marary mizara ny olana mavesatra mianjady aminy isan’andro ary koa ahitany namana vaovao misedra olana mitovy aminy.

Vonjy

Partager sur: