TSELATRA

Nahatratra mpanendaka (18 taona) iray ny polisy misahana ny fifamoivoizana manoloana ny Lycée Rasa­lama, afakomaly. Nanendaka olona nandeha taksibe io lehilahy io ary lasa nitsoaka avy hatrany rehefa azony ny findain’ ilay olona. Nanenjika io olon-dratsy io avy hatrany ilay polisy ka azo tsy dia lavitra teo. Hita teny aminy ilay finday nangalariny, izay efa naverina tamin’ny tompony. Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy amin’izao.
Tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalo­hany teo amin’ny PK 38+ 800 anelanelan’Ihazomay sy Tsan­ga­nolona ny fiara Sprinter iray omaly maraina. Avy any Sarotra­voaka, kaominina Miandrarivo ary nitondra mpandevina hihazo an’i Manandriana. Vaky teny an-dalana ny kodiarana aloha teo ankavanana ka nampivarina ny fiara tany anaty hantsana. Araka ny tatitra voaray, valo ireo olona mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly CHRR Bongolava. Nahatratra 16 ny mpandeha tao anatin’ny fiara.
May omaly hariva ny tsena amin’ny ilany havia any Mamamba, manamorona ny lalana mankany Ifarihy. Nahi­tana famaizana avokoa ireo tsenakely mpivarotra enta-madinika sy kafe ary legioma eny an-toerana. Nifa­nentana namono ny afo ireo mponina teny amin’ny manodidina saingy tsy niitatra haingana dia haingana ny afo. Efa tonga teny an-toerana nifehy ny afo ihany koa ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina.
Famonoana teratany kaomariana (76 taona) mi­zaka ny zom-pirenena Malagasy tany Amborovy Maha­janga, ny herinandro lasa teo. Voasambotra ny tompon’ antoka tamin’ ny famonoana ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ny raha­raha. Hasarotam-piaro tamin’ny vadin’ilay naha­vanon-doza, izay niasa tao amin’io teratany io moa ny anton’izao vono olona izao.

Partager sur: