Fanaovam-baksiny: Notolorana moto miisa 1 432 sy fiara ny CSB 2

Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana sy ny fampakarana ny tahan’ny fanaovana vaksiny. Notoloran’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka fiara sy moto vaovao ny CSB2, omaly.

Sehatra iray, anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fahasalamam-ba­hoaka. Voakasik’izany mivantana ny fanaovam-baksiny, amin’ny alalan’ny Fandahara­nasa nasionaly na ny PEV. Ho fanatrarana ny tanjona napetraka, niroso tamin’ny fampitaovana misimisy kokoa ny mpiantsehatra, omaly.
Notanterahina teny amin’ ny CCI Ivato ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy moto sy fiara tsy mataho-dalana ho an’ny mpiasan’ny fahasala­mana. Nitentina 24,7 miliara Ariary ny fanomezana izay nahitana fiara fitaterana ma­rary 18, motocross 1 432 ka 803 avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy 629 avy amin’ny Unicef/Gavi. Kamiao iray misy vata fampangatsiaha sy kamiao lehibe roa, fiara tsy mataho-dalana 13, fiara misy vata fam­pangatsiahana miisa 17 kosa avy amin’ny tetikasa Miarova, ary 22 avy amin’ny Unicef/Gavi.

Tena miasa

“Fahasalamana manakaiky ny vahoaka, manatona ny va­hoaka no natao laharam-paha­mehana. Porofon’izany, efa tafakatra 98 % ny CSB 2 no manana fitehirizam-bakisiny. Tsy misy atahorana intsony ny mety ho fahatapahan’ny filana na ny fahasimban’ny vakisiny”, hoy ny filoham-pirenena, Rajoe­lina Andry, tamin’ny lahateny nataony.
Tetsy ankilan’izay, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Zely Randriamanantany, dia nanamafy fa vita tamin’ny hetsika omaly ny fanomezana fiara fitaterana marary ho an’ ny distrika rehetra manerana ny Nosy. Tsy hadinony ihany koa ny nisaotra ny Filohan’ny Repoblika sy ny mpiara-miasa, amin’ny fanohanana ny fahasalamam-bahoaka.

Tatiana

Partager sur: