INDRAY MIJERY

Ho an’ny telovolana ho avy, hifanaraka na hana­tombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra Diana, Sava, Betsiboka sy ny tapany andrefan’ny faritra Sofia. Toy izany koa ny tendrony atsimon’ny faritra Boeny, ny ilany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana sy ny tendrony atsimon’ny faritra Melaky. Ny faritra Menabe, ny tendrony andrefan’ny faritra Bongolava, Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony ary ny tendrony atsinanan’ny faritra Atsimo andrefana dia hiharan’izany koa. Hifanaraka na hihena noho ny tokony ho izy kosa izany ho an’ny faritra sisa.

Efa miroso sy manomboka avokoa ankehitriny ny fanorenana ny trano fonenan’ny mpianatra ao Anta­na­narivo, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga, Toa­ma­sina, Toliara A, Toliara B. Trano R+1 mirefy 985,4 metatra toradroa, mahazaka mpianatra miisa 320 ary ahitana efitra 80, efitrano fivoahana sy fidiovana izy ireo, raha ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao Maha­janga, ny fandefasana ambony rano voalohany ny sambo vaovao Anjarasoa, taorian’i Tsipiranosoa. Vita tanteraka io fitaovana io tamin’ny fahaizan’ireo mpianatra sy mpampiofana avy ao amin’ny Centre de formation professionnelle en charpenterie marine Mahajanga, naharitra ‎herintaona sy valo volana no nanamboaran’izy ireo ity sambo ity.

Partager sur: