Psikolojia sosialy : Sehatra ahafahana maneho fihetsehampo

Manatanteraka hetsika etsy amin’ny efitrano malalaky ny AUF Faravohitra ny mpianatra L3, ao amin’ny sampam-pianarana Psychologie sociale et interculturelle, ao amin’ny Fakiol­ten’ny haisoratra sy ny siansa maha olona, eny anivon’ny onversiten’Antananarivo.
Nanomboka ny 25 aogositra izany. Mitohy hatramin’ny faran’ny herinandro izao.
Manome sehatra ho an’ny mpitsidika, haneho ny fihetsehampony amin’ny alalan’ny soratra, ny tetikasa. Namolavola izany ny mpianatra folo mianadahy. Nambaran’ny mpikara­kara fa zava-dehibe ny famoahan’ny olona ny fihetsehampo, manamaivana azy izany avy eo.
Ankoatra ny fifampizarana, milalao koa ny mpandray anjara. Misy ny fanomezana ifampizarana amin’izy ireo izay mifandraika amin’ny lalao. Homena torohevitra sy teny fankaherezana na fandrisihana ihany koa ny mpandray anjara.
Fandinihana ny fiantraikan’ny fiarahamonina amin’ny toetran’ny olombelona tsirairay no votoatin’ny fampianarana amin’ ny sampam-pampianarana Psychologie sociale et interculturelle.

Vonjy

Partager sur: