Nanao tombana ny ezaka vita amin’ny sehatry ny fahasalamana ny Filoham-pirenena, omaly, tetsy Ivato. Nisongadina ny fanaovam-baksiny sy ny fanaovana fanabeazana aizana, izay nanaovana hetsika manokana mihitsy teto amin’ ny firenena.
86% ny zaza vita vaksiny fatra fahatelo miaro amin’ny lefakozatra amin’izao fotoana. Nisaotra manokana ny mpiasan’ny fahasalamana ny tenany tamin’izany ezaka vita izany.
Teo koa ny fanentanana mahakasika ny fandrindrana ny fiterahana ary maro ireo mampiasa izany. Tafakatra 58% ny tahan’ny fampiasana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ankehitriny. “Efa betsaka ny ezaka natao, ao ny hita maso fa ao koa ny tsy hita maso fa mitondra vokatsoa, na ho an’ny ankizy na ho an’ny lehibe”, hoy ny filoham-pirenena.
Ankoatra ireo, maro ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana naorina hanakaiky kokoa ny eny ifotony. 18 ny hopitaly lehibe nisy teto Madagasikara teo aloha. Efa 30 ireo hopitaly vaovao manara-penitra naorina tao anatin’ny taona vitsy. Vao notokanana ny hopitaly manara-penitra tao Ambohimahasoa, Vohibato ary Maroantsetra.
Tatiana A




