Hisy ny fihaonan’ireo mpitsabo mpandidy, manam-pahaizana ambony momba ny atidoha sy ny hazon-damosina, izay mivondrona amin’ny Société malgache de neurochirurgie, ao Toamasina. Nanao antso ho an’ireo manana aretinandoha na amin’ny hazondamosina monina amin’ny faritra Atsinanana
sy ny manodidina, indrindra ny ao Toamasina, ny tomponandraikitry ny CHU Morafeno. Hisy, hoy izy, ny fandidiana hotontosain’ireo mpitsabo ireo ao an-toerana. Hotanterahina ao amin’ny CHU Morafeno, ny 29 sy 30 septambra ary 1 oktobra ho avy izao, ny hetsika. Entanina ireo liana hanatona ao
amin’ny hopitaly Sampana Neurochirurgie, hanao fizahana mialoha hanamorana ny fandrindrana ny fandraisana an-tanana.
Ankoatra izay, nanolotra kidoro miisa 105 ho an’ny Hopitaly CHU Morafeno Toamasina, omaly, ny Communauté Bohra
ao an-toerana. Nandray izany ny talen’ny CHUM, ny Dr Rafidimalala Rivo. Ity farany izay nanome toky fa hampiasaina araka ny tokony ho izy ny fanomezana, hampanjary ny fatorian’ ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly. Nanotrona ny fanolorana ireo mpitondra fanjakana any an-toerana.
Vonjy




