Miantoka ny fahombiazan’ny ankizy any an-dakilasy ny fahalavorarian’ny sakafony isan’andro. Nandray fepetra ny fanjakana fa hividy fanampin-tsakafo ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ianjadian’ny haintany.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hirosoana amin’ny fepetra manokana amin’ny hanjifana fanampin-tsakafo Kapik’naka. Ny ozinina Nutrisud, natsangana hamokatra ireo fanampin-tsakafo iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, no mamokatra azy ity. Manampy ny zaza amin’ny fitomboany sy ny fivelaran-tsainy ireo singa hita ao amin’ity vokatra ity. Ny fonosana Kapik’naka iray dia mitondra ny iray ampahatelon’ny kaloria ilain’ny zaza ao anatin’ny iray andro. Nisokatra ny volana oktobra 2021, tao Taolagnaro, ny orinasa Nutrisud ary namokatra avy hatrany ny Kapik’ naka. Mpianatra 9 697 no efa misitraka izany, ho fanampin’ireo sakafo zarain’ny fikambanana Fitia maimaimpoana isan’andro any an-toerana, amin’ny alalan’ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly, izay nosokafana tamin’ny volana janoary 2021.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Mitombo”, ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ireo ankizy ao amin’ny faritra Anôsy, Androy ary Atsimo Andrefana ny fametrahana itony orinasa itony. Miara-mientana ao ny Fondation Mérieux, ny fikambanana Fitia ary ny vondrona Nutrisud.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra koa ny fampitana am-bava momba ny fividianana ireo fanampin-tsakafo be otrikaina ho an’ireo sekoly eo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hiantohana ny fitomboan’ny zaza sy ny fahasalamany ary hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra eo anivon’ireo sekoly ianjadian’ny haintany.
Vonjy




