Mbola sakana amin’ny ady amin’ny famarinan’olombelona ny tahotra mitoroka. Maro ny antony tsy ahasahian’ny olona manao izany, indrindra ny mety ho fitsaram-bahoaka ataon’ny fiarahamonina. Eo koa ny tahotra ny hifotoran’izany sy ny fahafaham-baraka…
Nampitandrina ny amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra avaratra sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy sy alahady izao, ny Meteo Madagasikara. Nahazo fampitandremana miloko maitso ny faritra Sava, Ambatosoa ary Analanjirofo.
Notoloran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dabilio miisa 126 ny kaominina ambanivohitr’Antakasina. Sekoly ambaratonga voalohany dimy sy sekoly ambaratonga faharoa iray, ao anatin’ny Cisco Ambatolampy no nisitraka izany, toy ny EPP Antakasina, EPP Ampiadianombilahy, EPP Ampotaka, EPP Ampisoronana, EPP Bivy ary ny CEG Antakasina.




