Mahantra ara-panahy ny Malagasy: Nalaky resy lahatra ny raiamandreny

Ho an’ny Malagasy, ny fanahy no maha olona. Ny zokiolona fotsy volo amin-tany no manana io ambara fa anti-panahy, ivon’ny fahendrena sy fahalalana, io. Izy ireo no nantenaina hampita izany ho an’ ny taranaka aty ao­riana. Naha­vita sy mahavita ny adidiny izy ireo?

Ny isam-bohitra na isan-tanàna, samy nanana ny raiamandreny. Tsy no­fidiana ireo fa napetraky ny mpiara-monina. Tsy noho ny fa­nanany harem-be fa noho ny fisian’ilay fanahy hendry. Noho izy vatonamelankafatra mitazona ny fomba amam-panao. Mahatahiry ireo fahalalan’ny razana, mahatandrina ny hasina, sns. Tamin’ny an­kapobeny, ireo zokiolona sy ela nihetezana no napetraky ny mpiara-monina ho raiamandreniny. Tsy naka na nandrombaka io toerana io rahateo ny zandry mba tsy ho folaka andantony.
Niantsoroka adidy goavana ny raiamandreny teo an-tanàna, satria, izy no namaha ny olana rehetra noheverina fa hanimba na hanakorontana ny tokantrano, ny fiarahamonina. Izy ihany koa no fakan-kevitra raha sanatria ka misy ny faniratsirana sy tsy fifanomezan-kasina eo amin’ny samy mpiara-monina.

Fa nataon-dry zareo aiza ny…?

Ao anatin’ny fiarahamonina, tsy maintsy misy raiamandreny. Noho izany, tokony hi­toetra ny fahendrena. Ny fa­halalana ny fomban-drazana. Ny fiainana sy fanarahina ny lamina voajanahary, ny fanajana ny soatoavina, sns. Fa naninona no tsy nampitaina. Fa nataon-dry zareo aiza izy ireny?… Nalaky resy lahatra ny raiamandreny. Resy lahatra nanoloana ny fiovana isan-karazany. Resy lahatra teo anatrehan’ny tantara. Resy lahatra nanoloana ny fibosesik’ireo «zava-bahiny» teto Ma­da­gasikara… Resy lahatra na­noloana ny taranaka taty ao­riana. Ilay (na ireo) fahalalana fahiny, nanjary takon’ny fahaizana norantovina tany an-tsekoly. Nampirimina sy natao ho henatra ny fananana ilay fanahy handalana. Narangaranga kosa ny fahaizana zava-baovao. Na i Zanahary eo an-tampon’ny loha aza nanjary tsy fantatry ny Malagasy ny fisiany, noho ny fananana saina mikajy ny tombontsoa manokana, sns.

Ilaina ny manan-tsaina…

Habe azo refesina tsara ny asa vitan’ny saina. Tsy mba tahaka izany ny fanahy. Na tsy hita an-karihary ety ivelany aza ny heriny, tsy hay refesina ny zava-bitany. Hatreto, azo hi­sokajiana ny tsirairay ny fananany diplaoma. Ny saina no niasa tamin’izany. Fa ny fananana fanahy kosa, sarotra ny mampitovy na manam-porofo izany amin’ny fananana «baoritra» (tenin-jatovo iantsoana ny diplaoma).
Ilain’ny fiarahamonina ny olona nianatra. Tsy azo lavina izany. Anisan’ny fitaratra sy mpitari-dalana izy ireny, sa­tria, manam-pahaizana. Ma­no­ro ireo tsy mahay. Mampi­anatra ireo mila izany, sns. Hatramin’izao, tsy mba voaresaka loatra tahaka izany ny anjara andraikitry ny olona manam-panahy. Takonan’ny fahaizana ny fisian’ny fanahy. Taratra any anatina sehatra maro izany.
Vokatr’izay, nanjary vitsy dia vitsy sisa ireo olona tondroina ho manam-panahy. Ta­diavina fatratra izy ireny raha misy ny manahirana. Na, raha mila elanelam-panahy, apetraka ho raiamandreny fa­naja. Nivadika tanteraka ny fi­jerin’ ny fiarahamonina ny manam-panahy. Sanatriavina lasa va­koka izy ireny. Sa­ro­bidy, saingy tsy ampiasain’ny vanim-potoana ankehitriny intsony. Nanjary mahantra ara-panahy ny Malagasy.

Nosoloina zavatra hafa ilay fanahy maha olona

Nanomboka nahazo vahana ny lanjan’ny vola sy ireo iray tarika aminy. Tahaka ny fa­hefana azo tamin’ny tsy rariny (satria efa tsy eo ilay fanahy). Nahazo laka sy nanjakazaka izay manam-be aminy. Ny ramilamin’ny manam-panahy, nosoloina bekorontan’ny be sandry. Ny fahaizana sy fa­najana ny soatoavina. Voa­so­lon’ny tian-kano, tsy tian-kano. Ireny sy izay mitovy ary iray ta­rika aminy indray no lasa raiamandreny. Na, sanatria, tsy ampy fahalalana sy fahendrena aza. Mbola mijanona ho rai­amandreny hatrany. Na, ta­no­ra fanahy aza, raiamandreny ihany no niantsoan’ny fiarahamonina azy. Votsotra ilay maha izy azy ny fiarahamonina.
Nisintona sy tsy tazana intsony ny fahefan’ny raiamandreny fahiny. Matetika, ankehitriny, tsy nakan-kevitra intsony izy ireny, satria, noheverina fa efa dilan’ny vanim-potoana ny fahalalana ananany… Nitam­botsim-pandry ny fiarahamonina malagasy. Nanomboka nisongadina ilay fahantrana ara-panahy. Nitohy andro aman’alina ny fanilihana ireo manam-panahy.
… Raha mbola mitohy ny fanilihana ny manam-panahy na ireo raiamandreny, ho sa­rotra ny hahita fandrosoana ao amin’ny ankohonana, fianakaviana, fiarahamonina, fi­renena iray manontolo. Raha saina be na ry Besaina, na ny vola be sy ry Bevola ihany no hianteherana, tsy ho lasa lavitra i Madagasikara. Ho kizo fara ny Malagasy. Ho lasan’ny vahiny tsy ho ela ity Madaga­sikara ity. Ilaina ny manam-panahy handalana. Na tsy ni­ravaka diplaoma aza ny Mala­gasy, fahiny, nirindra ny fiarahamonina satria tsara tsodrano tamin’ireo manam-panahy… Fa ny amin’izao vanim-potoana izao, manao ahoana?

Nanatontosa : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: