Ho an’ny Malagasy, ny fanahy no maha olona. Ny zokiolona fotsy volo amin-tany no manana io ambara fa anti-panahy, ivon’ny fahendrena sy fahalalana, io. Izy ireo no nantenaina hampita izany ho an’ ny taranaka aty aoriana. Nahavita sy mahavita ny adidiny izy ireo?
Ny isam-bohitra na isan-tanàna, samy nanana ny raiamandreny. Tsy nofidiana ireo fa napetraky ny mpiara-monina. Tsy noho ny fananany harem-be fa noho ny fisian’ilay fanahy hendry. Noho izy vatonamelankafatra mitazona ny fomba amam-panao. Mahatahiry ireo fahalalan’ny razana, mahatandrina ny hasina, sns. Tamin’ny ankapobeny, ireo zokiolona sy ela nihetezana no napetraky ny mpiara-monina ho raiamandreniny. Tsy naka na nandrombaka io toerana io rahateo ny zandry mba tsy ho folaka andantony.
Niantsoroka adidy goavana ny raiamandreny teo an-tanàna, satria, izy no namaha ny olana rehetra noheverina fa hanimba na hanakorontana ny tokantrano, ny fiarahamonina. Izy ihany koa no fakan-kevitra raha sanatria ka misy ny faniratsirana sy tsy fifanomezan-kasina eo amin’ny samy mpiara-monina.
Fa nataon-dry zareo aiza ny…?
Ao anatin’ny fiarahamonina, tsy maintsy misy raiamandreny. Noho izany, tokony hitoetra ny fahendrena. Ny fahalalana ny fomban-drazana. Ny fiainana sy fanarahina ny lamina voajanahary, ny fanajana ny soatoavina, sns. Fa naninona no tsy nampitaina. Fa nataon-dry zareo aiza izy ireny?… Nalaky resy lahatra ny raiamandreny. Resy lahatra nanoloana ny fiovana isan-karazany. Resy lahatra teo anatrehan’ny tantara. Resy lahatra nanoloana ny fibosesik’ireo «zava-bahiny» teto Madagasikara… Resy lahatra nanoloana ny taranaka taty aoriana. Ilay (na ireo) fahalalana fahiny, nanjary takon’ny fahaizana norantovina tany an-tsekoly. Nampirimina sy natao ho henatra ny fananana ilay fanahy handalana. Narangaranga kosa ny fahaizana zava-baovao. Na i Zanahary eo an-tampon’ny loha aza nanjary tsy fantatry ny Malagasy ny fisiany, noho ny fananana saina mikajy ny tombontsoa manokana, sns.

Ilaina ny manan-tsaina…
Habe azo refesina tsara ny asa vitan’ny saina. Tsy mba tahaka izany ny fanahy. Na tsy hita an-karihary ety ivelany aza ny heriny, tsy hay refesina ny zava-bitany. Hatreto, azo hisokajiana ny tsirairay ny fananany diplaoma. Ny saina no niasa tamin’izany. Fa ny fananana fanahy kosa, sarotra ny mampitovy na manam-porofo izany amin’ny fananana «baoritra» (tenin-jatovo iantsoana ny diplaoma).
Ilain’ny fiarahamonina ny olona nianatra. Tsy azo lavina izany. Anisan’ny fitaratra sy mpitari-dalana izy ireny, satria, manam-pahaizana. Manoro ireo tsy mahay. Mampianatra ireo mila izany, sns. Hatramin’izao, tsy mba voaresaka loatra tahaka izany ny anjara andraikitry ny olona manam-panahy. Takonan’ny fahaizana ny fisian’ny fanahy. Taratra any anatina sehatra maro izany.
Vokatr’izay, nanjary vitsy dia vitsy sisa ireo olona tondroina ho manam-panahy. Tadiavina fatratra izy ireny raha misy ny manahirana. Na, raha mila elanelam-panahy, apetraka ho raiamandreny fanaja. Nivadika tanteraka ny fijerin’ ny fiarahamonina ny manam-panahy. Sanatriavina lasa vakoka izy ireny. Sarobidy, saingy tsy ampiasain’ny vanim-potoana ankehitriny intsony. Nanjary mahantra ara-panahy ny Malagasy.
Nosoloina zavatra hafa ilay fanahy maha olona
Nanomboka nahazo vahana ny lanjan’ny vola sy ireo iray tarika aminy. Tahaka ny fahefana azo tamin’ny tsy rariny (satria efa tsy eo ilay fanahy). Nahazo laka sy nanjakazaka izay manam-be aminy. Ny ramilamin’ny manam-panahy, nosoloina bekorontan’ny be sandry. Ny fahaizana sy fanajana ny soatoavina. Voasolon’ny tian-kano, tsy tian-kano. Ireny sy izay mitovy ary iray tarika aminy indray no lasa raiamandreny. Na, sanatria, tsy ampy fahalalana sy fahendrena aza. Mbola mijanona ho raiamandreny hatrany. Na, tanora fanahy aza, raiamandreny ihany no niantsoan’ny fiarahamonina azy. Votsotra ilay maha izy azy ny fiarahamonina.
Nisintona sy tsy tazana intsony ny fahefan’ny raiamandreny fahiny. Matetika, ankehitriny, tsy nakan-kevitra intsony izy ireny, satria, noheverina fa efa dilan’ny vanim-potoana ny fahalalana ananany… Nitambotsim-pandry ny fiarahamonina malagasy. Nanomboka nisongadina ilay fahantrana ara-panahy. Nitohy andro aman’alina ny fanilihana ireo manam-panahy.
… Raha mbola mitohy ny fanilihana ny manam-panahy na ireo raiamandreny, ho sarotra ny hahita fandrosoana ao amin’ny ankohonana, fianakaviana, fiarahamonina, firenena iray manontolo. Raha saina be na ry Besaina, na ny vola be sy ry Bevola ihany no hianteherana, tsy ho lasa lavitra i Madagasikara. Ho kizo fara ny Malagasy. Ho lasan’ny vahiny tsy ho ela ity Madagasikara ity. Ilaina ny manam-panahy handalana. Na tsy niravaka diplaoma aza ny Malagasy, fahiny, nirindra ny fiarahamonina satria tsara tsodrano tamin’ireo manam-panahy… Fa ny amin’izao vanim-potoana izao, manao ahoana?
Nanatontosa : HaRy Razafindrakoto




