Mila manovo fahalalana : Simbain’ny tantara ny kolontsaina

Tsy ny kolontsaina ihany fa na ny zavakanto, ny soatoavina ary indrindra ny fomba amam-panao malagasy, maro no simbain’ny tantara. Na, fanahiniana nodisoina na diso tsy nahy na novaina, sns. Amin’ny ankapobeny, ny vahiny no niezaka nandrakitra an-tsoratra ny tantaran’i Madaga­si­kara sy ny Ma­la­gasy. Nam­pifangaroin-dry zareo tamin’ny fikatsahana tombontsoa ma­nokana, anefa, ny fanatanterahana izany.
Talohan’ny nidiran’ny vahiny, efa nahay sy nahalala zavatra maro momba ny fifehezana ny lamina voajanahary ny Ma­la­gasy. Fantany tsara fa ma­nam-panahy izy (fanahy no olona). Tsy mila antsoina na aingana amin’ny alalan’ny fisotroana toaka na fifohana zava-mahadomelina vao mi­asa io fa­nahy ananany io. Vokatr’izay, ni­rin­dra avokoa ny seha-pamoronana, satria, ilay fanahy no niasa.
Nambaran’ny mpanoratra tantara sasany fa « efa nihinana kisoa hatramin’izay ny Ma­lagasy ». Mila manovo fahalalana ny Malagasy mba tsy ho tratry ny fiovana tahaka izany. Ny biby antsoina hoe «kisoa», aza, mbola vao nampidirina teto. Mila manoro sy manoratra ary mampianatra ihany koa ireo mahalala sy mahafantatra mba hisorohana ny zava-tsy mety.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: