10 mirahalahy ireo omena fiofanana manokana hifehy ny fampandehanana ny fitaterana an-tariby na teleferika. Nomena torolalana momba ny vonjy voina ihany koa izy ireo ahafahany miatrika raha sanatria ka misy tranga ilana izany.
Iray amin’ireo fenitra 17 fanorenana ny teleferika ny fametrahana rafitra manokana hiarovana ny ain’ny mpandeha. Manaja izany indrindra ny teleferika-zotra Orange, raha ny fanazavana nentin’ny avy ao amin’ny Sekretera miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Haharitra herinandro io fiofanana avy amin’ny sampana mpamonjy voina sy ny CPC izay hanatevin-daharana sy hivelatra ho tena matihanina amin’ny fifehezana ny lafiny fiarovana amin’ny teleferika io.
Mpampiofana miisa 3 no mitarika azy ireo, avy amin’ny GSis sy ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Efa samy nahazo fiofanana sy fankatoavana manokana momba ny fiarovana tamin’ny novambra 2024, avy amin’ny Immoos sy Poma koa, izy ireo.
Mampahafantatra ny SEN VH fa tsy tokony hahataitra ny mponin’Atananarivo ny fanazaran-tena ataon’ireo teknisianina mpiofana mandritra ny herinandro hanatanterahan’
izy ireo izany. Mitohy ihany koa ny fihodinan’ny teleferika amin’ny fotoana maha be ny fitohanan’ny fiara, manomboka amin’ny 7 hatramin’ny 9 ora ny maraina ary amin’ny 4 hatramin’ny 6 ora ny hariva.
Tatiana A




