Apipa: Hodiovina tsy tapaka ny farihin’Anosy

Nampahatsiahy sy namoaka fampahafantarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Apipa. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ny momba ny farihin’Anosy.

Voatsiahy amin’izany fa mirefy 8 ka hatramin’ny 10 hektara io farihy io. Toerana manan-tantara, eo amin’ny lafiny kolontsaina ary koa ny teknika eo afovoan’­ Antananarivo.
Notsiahivin’ny Apipa fa anisan’ny anjara asa lehibe ny fitehirizany ny rano sy ny fanalefahana ny loza mety hateraky ny tondradrano. Tafiditra ao anatin’ny tambajotran’ny rano tantanan’ny Apipa, miaraka amin’ny lakandrano sy toby fanosehana koa io farihy io, araka ny fampahafantarana.
Ankoatra izay, manampy amin’ny fampangatsiahana ny micro-climat ao an-tanàna.
Na izany aza, anisan’ny olana goavana ny fahafenoan’ny fotaka sy ny loto. « Mam­pihena ny fahafahany mitahiry rano avy any amin’ny tatatra sy ny manodidina izany », hoy izy ireo. Ahina koa hiteraka tondradrano rehefa betsaka ny orana. Anisan’ny vahaolana naroson’ny Apipa ny tokony hanadiovana tsy tapaka ny eo amin’io farihy io. Manampy izany ny fanatsarana ny fitaovana sy rafitra fitarihana rano. Ankoatra ireo, ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao (sensor, IoT).

Fanentanana ny mponina hitandro ny fahadiovana
Ilaina hatrany koa anefa ny fanentanana ny mponina mba hitandro hatrany ny fahadiovana sy ny maha zava-dehibe ny farihy, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Apipa.
Tsiahivina fa tsy vitan’ny hoe lova ara-tantara fotsiny ny farihy etsy Anosy. « Fodrafitrasa voajanahary miaro ny tanànan’Antananarivo sy manatsara ny tontolo iainana ihany koa izy io », hoy ihany ny eo anivon’ny Apipa, ao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).

Synèse R.

Partager sur: